Hebrews 11

1Ary ny finoana no antoka amin’ireo zavatra nandrasana tamim-pahatokiana. Io no porofon’ireo zava-mitranga izay mbola tsy hita. 2Fa noho izany ireo razambe dia nankatoavina nohon’ny finoan’izy ireo. 3Amin’ny finoana no hahafantarantsika fa ny didin’Andriamanitra no namoronana izao tontolo izao, ka izay hita maso dia tsy natao tamin’ny zavatra izay hita maso.

4Tamin’ny finoana no nanoloran’i Abela fanatitra tsara kokoa ho an’Andriamanitra noho ny an’i Kaina, tamin’ny alalan’izany no nanambarany azy ho marina, ary Andriamanitra niteny tsara azy noho ireo fanatiny, ary amin’ny finoana no mbola hitenenan’i Abela, na dia efa maty aza izy.

5Tamin’ny finoana no namindrana an’i Enoka mba tsy ahitany ny fahafatesana. “Tsy hita izy, satria nalain’Andriamanitra.” Fa talohan’ny nakana azy, dia nijoroana vavolombelona fa nankasitrahan’ Andriamanitra izy. 6Ary rehefa tsy misy finoana dia tsy mety ho ankasitrahany. Satria ilaina hoe izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy ary Izy no mamaly soa an’ireo izay mitady Azy.

7Tamin’ny finoana Noa, no nomena ny hafatra avy amin’Andriamanitra momba ireo zavatra izay tsy mbola hita, niaraka tamin’ny fanajana an’ Andriamanitra no nanamboarany ny sambo izay namonjeny ny ankohonany. Fa tamin’ny fanaovana izany, no nanamelohany izao tontolo izao sy nahatongavany ho mpandova ny fahamarinana araky ny finoana.

8Tamin’ny finoana Abrahama, rehefa nantsoina, no nankatoa sy nandeha nankany amin’ilay toerana izay hahazoany ho lova. Nandeha izy, tsy nahalala izay tany nombany. 9Tamin’ny finoana no niainany tany amin’ilay tany nampanantenaina toy ny vahiny. Niaina tao anaty trano lay izy niaraka tamin’Isaka sy Jakoba, ireo mpiara-mandova amin’ilay fampanantenana mitovy. 10Fa izy nitady ilay tanàna izay manana ireo fanorenana, ilay tanàna izay Andriamanitra no mpamari-trano sy mpanori-trano.

11Tamin’ny finoana, na dia Saraha izy tenany izay momba aza, no nahazoan’i Abrahama ny fahafahana ho ray. Nitranga izany na dia efa tena antitra aza izy, satria noheverina ho toy ilay mahatoky nomena ilay fampanantenana izy. [Fanamarihana: Misy fanontaniana momban’ny hoe ny finoan’i Abrahama sa ny finoan’i Saraha no navohitra. “Tamin’ny finoan’i Saraha, na dia efa antitra aza izy, no nahazoany ny hery hanan’anaka, na dia efa tena antitra aza izy hitondra zaza, satria nihevitra ilay nanome ilay fampanantenana azy ho mahatoky.”] 12Noho izany, avy amin’izany lehilahy izany, izay efa ho faty, no nahaterahan’ireo izay toy ireo kintana eny an-danitra ny hamaroany sy toy ny fasika manamorona ny ranomasina, izay tsy voaisa.

13Tao amin’ny finoana ireny rehetra ireny no maty tsy nandray ireo fampanantenana. Fa kosa, taorian’ny nahitana sy niarahabana azy ireo avy eny alavitra, dia nanaiky izy ireo fa vahiny sy sesi-tany ety an-tany. 14Ho an’ireo izay miteny toy izany zavatra izany dia manazava fa mitady tanindrazana izy ireo.

15Raha nieritreritra ny firenena izay nialany izy ireo, dia mety nanana fahafahana hiverina. 16Fa tahaka izany, naniry firenena tsaratsara kokoa izy ireo, ka izany, ilay any an-danitra. Noho izany tsy mahamenatra an’Andriamanitra ny voaantso hoe Andriamanitr’izy ireo, ka nanomana tanàna ho azy ireo Izy.

17Tamin’ny finoana Abrahama, rehefa notsapaina, dia nanolotra an’Isaka. Io no zanany lahy tokana izay natolony, izy ilay nahazo ireo fampanantenana. 18Tamin’i Abrahama no nilazana hoe: “Amin’ny alalan’Isaka no hanondroana ireo taranakao.” 19Abrahama dia nihevitra fa Andriamanitra dia hahavita hanangana an’Isaka amin’ireo maty, ary amin’ny heviny amin’ny ohatra, avy tamin’izy ireo no hahazoany azy indray.

20Tamin’ny finoana momban’ireo zavatra ho avy koa no nitsofan’Isaka rano an’i Jakoba sy Esao. 21Tamin’ny finoana Jakoba, tamin’izy efa ho faty, no nitso-drano ireo zanak’i Josefa tsirairay avy. Nivavaka Jakoba, nitehana tamin’ny lohan’ny tehiny. 22Tamin’ny finoana Josefa, rehefa nanakaiky ny fiafarany, no niresaka ny fiaingan’ny zanak’Israely avy any Egypta ary nanafarany ny amin’ny taolany.

23Tamin’ny finoana Mosesy, rehefa teraka izy, dia nafenin’ireo ray aman-dreniny nandritry ny telo volana satria hitan’izy ireo fa zaza tsara izy. Tsy natahotra ny didin’ny mpanjaka izy ireo. 24Tamin’ny finoana Mosesy, taorian’ny nahalehibe azy, no nandà ny hiantsoana azy ho zanaka lahin’ny zanaka vavin’i Farao. 25Fa kosa, nisafidy ny hijaly niaraka tamin’ny vahoakan’Andriamanitra izy, toy izay hankafy ireo fahafinaretan’ny fahotana mandritry ny fotoana fohy. 26Nilaza izy hoe ny fahafaham-baraka amin’ny fanarahana an’i Kristy dia harena ngeza noho ireo haren’i Egypta. Satria nampifantoka ireo masony tamin’ny valisoany izy.

27Tamin’ny finoana no nialan’i Mosesy tany Egypta. Tsy natahotra ny fahatezeran’ny mpanjaka izy, fa niaritra izany toy ny nahitany ilay tsy hita maso. 28Tamin’ny finoana no nitandremany ny Paska sy ny famafazana ny rà, mba tsy hikasika ny zanaka lahimatoan’ireo Israelita ny mpandringana ny zanaka lahimatoa.

29Tamin’ny finoana no niampitan’izy ireo ny Ranomasina Mena toy ny mandia tany maina. Rehefa nanandrana nanao izany ireo Egyptiana, dia voatelina izy ireo. 30Tamin’ny finoana no nirodanan’ny mandan’i Jeriko, rehefa avy nihodidina nandritry ny fito andro izy ireo. 31Tamin’ny finoana no tsy nahafaty an’i Rahaba ilay mpivarotena niaraka tamin’ireo mpaniasia, satria nandray ireo mpisafo tany tamin’ny fiadanana izy.

32Inona ihany koa no afaka lazaiko? Fa ho lany ny fotoako raha miresaka momban’i Gideona, Baraka, Samsona, Jefta, Davida, Samoela, ary momban’ireo mpaminany aho. 33Tamin’ny alalan’ny finoana no nahazoan’izy ireo ny fanjakana, niasa ara-drariny, ary nandray ireo fampanantenana. Nanakombona ny vavan’ireo liona izy ireo, 34namono ny herin’ny afo, nandositra ny lelan’ny sabatra, sitrana tamin’ireo aretina, lasa nahery an’ ady, ary nandresy ireo tafika vahiny.

35Nitsangana tamin’ny maty tamin’ny fananganan-ko velona ireo vehivavy. Ireo hafa dia nampijaliana, tamin’ny tsy fanekena ny famotsorana mba hahazoan’izy ireo fitsanganana tsara kokoa. 36Ny hafa dia notsapaina tamin’ny fanesoana sy ireo fikapohana, eny fa na dia ny fatotra sy ny fanagadrana aza. 37Notoraham-bato izy ireo. Notsofaina hizara roa izy ireo. Novonoina tamin’ny sabatra izy ireo. Nirenireny tamin’ny hoditr’ondry sy hoditr’osy izy ireo. Nahantra izy ireo, nampihorohoroana, nampahoriana. [Fanamarihana: ny dikan-teny sasany taloha dia mivaky hoe: “Notoraham-bato izy ireo. Notsofaina hizara roa. Nampandalovina fitsapana. Novonoina tamin’ny sabatra.”] 38Izao tontolo izao dia tsy mendrika azy ireo. Nirenireny tany an’efitra, tany amin’ireo tendrombohitra, tany amin’ireo lava-bato, ary tany amin’ireo lavaka ambanin’ny tany izy ireo.

39Kanefa ireny olona rehetra ireny dia neken’Andriamanitra nohon’ny finoan’izy ireo, tsy nandray ny fampanantenana izy ireo. Nanomana zavatra tsara kokoa ho antsika Andriamanitra, mba tsy ho lavorary izy ireo, raha tsy misy antsika.

40

Copyright information for PltULB